|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 London Missionary Society
![]() |
| Sokajin-teny | 2 anarana (orinasa, sns.) [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
3Fikambanana niorina tany London renivohitr' i Angletera tamin' ny 20-25 Septambra 1795...
4Madagasikara: Dr. 5Philips, Direkteran' ny Kolejy teolojika tany Newadalewyd any Pays de Galles any Angletera, no nanaitra ny mpianany. 6Nanolo-tena ny roa lahy tamin' izy ireo, dia David Jones sy Thomas Bevan. 7Nanaovana fanokanana manetriketrika nandritra ny indroa andro (Alarobia sy Alakamisy 20 sy 21 Aogositra 1797). 8Tonga tao Toamasina izy (Talata 18 Oktobra 1818). 9Indrisy anefa! Andro vitsy foana dia maty tao Manareza i Thomas Bevan telo mianaka sy Madama Jones sy ny zanany. 10David Jones irery no tafakatra teto Antananarivo ny Talata 3 Oktobra 1820. 11Radama I, zanak' Andrianampoinimerina no mpanjaka teto (1810-1828). 12Izy no namoha ny varavaran' i Madagasikara hidiran' ny Filazantsara sy ny sivilizatio tandrefana izay nentin' ny Misionera Protestanta. 13Ny zava-dehibe voalohany vitan' ny LMS sy James Hastie solontenan'ny Fanjakana Anglisy teto ary Radama I tamin' izany dia ny fifanekena hampitsaharana ny famarinana malagasy ho andevo any ivelany. 14Ny voalohany dia voasonia tao Toamasina, Alakamisy 24 Oktobra 1819. 15Ratsiloikanina sy ny namany efatra no solontenan-dRadama; ny an' ny Amnglisy dia Mr. 16Stanfell kapitenin-tsambo sy Mr. 17Pye konsily. 18Ny faharoa dia natao teto Antananarivo Alarobia 11 Oktobra, voasonia Asabotsy 14 Oktobra 1820. 19Tena andro manan-toerana lehibe ao amin' ny tantaran' ny Nosy ireo, satria an-arivo mAromaro isan-taona ny Malagasy naondrana tahaka izany, ka raha notohy izany dia ho efa lany ela ny Malagasy to' izay. 20Ny zava-dehibe faharoa dia izao: Fanaon' ny LMS ao amin' izay tany rehetra alehany ny manomboka ny asany amin' ny sekoly. 21Teto dia ... 228 Septambra 1819 tany Manareza, Toamasina ary Talata 3 Oktobra 1820 tao Anatirova Antamnanarivo. 23Mandra-pandrindrin-dRanavalona I ireny sekoli-fiangonana ireny (1836) dia nahavoatra Malagasy 10000 - 15000 izy ireny, izay nahay namaky sy nanoratra ny fitenindrazany. 24Jean Carol sy Gautier dia samy gaga noho ny haroroky ny fampianarana protestanta teto. 25Ny rapaoro ofisialy voalohany nataon' i Jeneraly Galliéni, Marsa 1899, dia nanome ny isa 126000 ho an' ny mpianatra. 26Tsy nohadinoin' ny misionera koa ny vehivavy. 27Na tany Toamasina na teto Antananarivo dia nandray zazavavy ny sekolin' ny Misiona. 28Nanaitra sy nahafaly an-dRadama sy ny raiamandreny izany, indrindra nony nahita ny soratra aman-jaitra vita sy ny hahare ny hira nataony izy. 29Na dia tsy mba mpampahory vehivavy toy ny mpanompo sampy hafa aza ny Malagasy dia nahagaga azy ny nanamdratan' ny misionera ny zazavavy hitovy amin' ny zazalahy. 30Nampitombo ny fitiavan' ny olona an' ity fivavahana vaovao ity izany. 31Ny zava-dehibe fahatelo dia ny nanamboaran' ny misionera niaraka tamin-dRadama ny fiteny malagasy ho azo soratana amin' ny abidia latina tahaka izao. 32Talohan' izany dia ny tarehin-tsoratra arabo (sorabe) no nanoratana ny fiteny malagasy. 33Radama sy olom-bitsy foana no nahay izany. 34Hatramin' izay, ny olona rehetra dia samy nanoratra ny teny malagasy tahaka izao ataontsika izao. 35Nandahatra ny fitsipi-pitenenana (gramera), nanao diksionera, nanangona ny tantara amana literatiora koa ny misionera.... [1.10#L386] |
| Voambolana | 36 Mpanonta printy, gazety |
| Boky momba Madagasikara |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/05 |
|